25/08/2026
🚢 𝐀𝐕𝐘 𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐐𝐔𝐀𝐈 𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐒𝐒𝐄𝐑𝐄𝐋𝐋𝐄: 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐒𝐂 𝐔𝐍𝐈𝐓𝐄 𝐕𝐈
Nanamarika dingana vaovao ho an’ny Seranan-tsambon’i Toamasina ny fahatongavan’ny MSC UNITE VI tao amin’ny quai C4. Izy no sambo mpitondra kaontenera voalohany manana refy tahaka izao noraisin’ity quai ity hatramin’ny nanombohan’ny fampiasana azy.
𝐓𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐭𝐲 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐚𝐧𝐞𝐟𝐚, 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐢𝐣𝐚𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐛𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐪𝐮𝐚𝐢 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚.
Ny 24 Aogositra 2026, delegasiona iray nahitana ireo mpikambana ao amin’ny 𝐂𝐎𝐃𝐈𝐑 - 𝐒𝐏𝐀𝐓 sy ny ekipan’ny MSC Madagascar no niakatra tao an-tsambo. Tanjona ny hahafantatra akaiky ny fizotry ny asa ao anatiny mandritra ny fijanonany ao Toamasina.
⚓ Ahitana tantsambo miisa 23 ny MSC UNITE VI. Toy ny tanàna kely mitsingevana izy: manana ny rafitra, ny fitaovana ary ny ekipa miantoka ny fampandehanana azy tsy an-kijanona.
Teo ambany fitarihan’ny iray tamin’ireo tantsambo, nitety ireo toerana manan-danja tao an-tsambo ny delegasiona: ny passerelle de commandement, izay anaraha-maso ny fitarihana sy ny zotran’ny sambo, ary ireo faritra teknika iantohana ny fampandehanana ireo fitaovana. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ireo andraikitra sy asa mifameno ahafahan’ny sambo manohy ny diany am-pilaminana sy am-pahombiazana.
Nampiseho ny lafiny iray tsy dia hita avy eny amin’ny quai ity fitsidihana ity. Ny fandraisana sambo lehibe mpitondra kaontenera dia mitaky fiaraha-mandrindra hentitra eo amin’ny tantsambo, ny mpiasan’ny seranan-tsambo, ny fitaovana ary ireo fomba fiasa maro samihafa.
Mirefy 285 metatra ny halavan’ny MSC UNITE VI, 40 metatra ny sakany ary mahazaka hatramin’ny 5 812 EVP izy. Ny EVP, na « Équivalent Vingt Pieds », dia singa fandrefesana mifanandrify amin’ny kaontenera manara-penitra mirefy 20 pieds.
Ny fahafahan’ny quai C4 mandray sambo manana refy sy fahafaha-mitondra tahaka izany dia porofo mivaingana amin’ny fivoaran’ny fotodrafitrasa sy ny fanatsarana mitohy ny fahafahan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina.
📍 𝐇𝐚𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐦𝐛𝐨 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐪𝐮𝐚𝐢. 𝐇𝐚𝐟𝐚 𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐛𝐨 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐢𝐫𝐚𝐲.
------------------------------------------------------------------
🚢 𝐃𝐔 𝐐𝐔𝐀𝐈 À 𝐋𝐀 𝐏𝐀𝐒𝐒𝐄𝐑𝐄𝐋𝐋𝐄 : 𝐈𝐌𝐌𝐄𝐑𝐒𝐈𝐎𝐍 À 𝐁𝐎𝐑𝐃 𝐃𝐔 𝐌𝐒𝐂 𝐔𝐍𝐈𝐓𝐄 𝐕𝐈
Après avoir marqué une étape importante pour le Port de Toamasina, en devenant le premier grand porte-conteneurs de cette envergure accueilli au quai C4 depuis sa mise en service, le MSC UNITE VI nous a ouvert ses portes.
𝐂𝐞𝐭𝐭𝐞 𝐟𝐨𝐢𝐬, 𝐩𝐚𝐬 𝐪𝐮𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐬𝐭𝐞𝐫 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐪𝐮𝐚𝐢
Le 24 août, une délégation composée de membres du CODIR de la SPAT, accompagnée de l’équipe de MSC Madagascar, a eu l’opportunité de monter à bord du navire pour découvrir de l’intérieur les coulisses de son escale à Toamasina.
⚓ Avec 23 membres d’équipage à bord, le MSC UNITE VI fonctionne comme une véritable ville en mouvement.
Guidée par un membre de l’équipage, la délégation a pu découvrir les différents espaces du navire, de la passerelle de navigation aux zones techniques, ainsi que les opérations qui permettent au navire de fonctionner et de poursuivre sa route en toute sécurité.
Cette immersion permet de mieux comprendre une réalité souvent invisible depuis le quai : l’escale d’un grand porte-conteneurs repose sur une coordination permanente entre les marins, les équipes portuaires, les équipements et de nombreuses procédures.
Avec ses 285 mètres de long, 40 mètres de large et une capacité pouvant atteindre 5 812 EVP — soit l’équivalent de 5 812 conteneurs standards de 20 pieds — le MSC UNITE VI illustre également l’évolution des capacités d’accueil du quai C4 et, plus largement, du Port de Toamasina.
📍 Voir le port depuis le quai, c’est une chose. Le découvrir depuis le cœur d’un grand navire en est une autre.