02/08/2024
❌❌VOLON-KATSAKA
Azafady indrindra tompoko, mba aparitaho ity hafatra ity fa mety hamonjy olona maro dia maro, azafady!
Nataoko ny anjarako, manantena aho fa afaka manao toy izany koa ianao. Misaotra mialoha anao!
- Volon-katsaka maina iray tanana
- Ampangotrahana amin’ny rano fahefaky ny litatra (1/4L)
👉 Misotro iray sotro fihinana isaky ny adiny iray ora ho an'ny olona mipipy ampandriana.
Mampihena ny tahan'ny glycémie diabète ihany koa
- Volokatsaka maina 2 tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Misotro iray vera ny maraina, iray vera ny atoandro, iray vera ny hariva ( Rehefa miakatra be ihany ny glycémie vao manao izany )
Miakatra tosi-dra / Mitohana tsy mipipy
- Mampangotraka volon-katsaka maina iray tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Sivanina ny faikany hiala dia misotro izany ny tontolo andro
Matavy te hanena vatana
- Volon-katsaka maina roa tanana
- Ampangotrahana amin'ny rano iray litatra
👉 Sotroina ao anatin'ny iray andro izany dia manao vaovao hafa indray amin'ny manaraka. Misotro izany indroa isan'kerinandro; Ary atao mandritra ny iray volana sy tapany fa hahita vokatsoa ianao.
Aorian'ny famakian'ity hafatra ity, mba ampahafataro amin'ny hafa koa, ambarao amin'ny manodidina izany: amin'ny fianakavianao, amin'ny namanao ... Karakarao ny fahasalamanao ...