09/02/2026
Anatin’ny sedra lalovana amin’ny asanay livreur dia ny toetr’andro.
Mafy anie ny mamoy io bisikleta io amin’ny 12h atoandro miakatra iny fiakarana be @ mausolée iny e (ohatra fotsiny ihany).
Ny masoandro be eo antampon’ny loha, ny fiakarana mideza, ny bisikileta tsy maintsy vohizina, satria miandry ny client, ary misy ny client tsy mahatsapa an’izany, fa maro kosa anefa ireo mi »comprendre » hoe mafy ny lalana nalehan’ity livreur ity vao tonga eto.
Fa mbola mafy ambon’izany koa ny manao livraison @ orana @ zao andro fahavaratra izao. Efa hiarahantsika mahalala ihany ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo. De tena hoe mandeha anjambany mamakivaky iny arabe dibo-drano iny, ny lalana moa de efa hiarahamahalala fa lavaka etsy, lavaka eroa ka « moindre faux pas » dia mianjera e!!! Dia lena ny entana. Simba ilay boritra tsara tarehy…
Ny ririna hoavy tsy mbola ho lazainay hoe toy ny ahoana ny fangirifirin’ny atsika rehefa mandeha amin’iny digue iny ianao 😥
Anatin’ny asa daholo izany. Tsy hitarainana fa mba zaraina aminareo hoe izany ny mitady vola. Anefa izany rehetra izany tsy manakana anay tsy hitsiky sy sariaka rehefa maka sy manatitra ny entanao.
Satria izahay dia MILOMAY HO ANAO 🥰❤️