13/01/2026
Manakory e!
Ambany ny tsindry ny Atmosfera izay no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro eto ANALAMANGA.
Toy izao ny vina mandritra ny 3 andro
ALAROBIA 14 JANOARY 2026
☁️☁️ Maraina : Handrahona manerana ny distrika.
🌦️⛈️ Tolakandro/hariva : Hanorana tandrifin-drahona malefaka eto Antananarivo sy Manjakandriana ,mety arahin-kotroka kosa ny distrika sisa.
🌡️🌡️ Maripàna : 17°C - 26°C
ALAKAMISY 15 JANOARY 2026
☁️☁️ Maraina : Handrahona manerana ny distrika.
⛈️🌦️ Tolakandro/hariva : Hanorana tafin-drahona malefaka any Anjozorobe , Hanorana tafin-drahona mety arahin-kotroka kosa ny distrika sisa .
🌡️🌡️ Maripàna : 18°C - 26°C
ZOMA 16 JANOARY 2026
☁️☁️ Maraina : Handrahona manerana ny distrika.
⛈️⛈️ Tolakandro/hariva : Hanorana tafin-drahona mety arahin-kotroka manerana ny distrika.
🌡️🌡️ Maripàna : 18°C - 26°C
Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra!!