29/11/2024
5 taona ny Lomaï VIP 🥳🥳🥳🥳🥳. Betsaka ny zavatra nolalovana 😌 fa kosa isaorana an'i Andriamanitra 🙏🙏🙏 satria Izy no nitantana sy niaro. Raha ny resaka fifamoivoizana fotsiny, tsy voatery hahafinaritra foana fa kosa teo ny sandriNy 💪💪 niaro anay. Nisy fotoana nisy hitondra nitsoaka ny moto 😓, nisy fotoana niatrika COVID sy fihiboana tahaka ny olona rehetra 🤧🤒, nisy fotoana koa nefa niaraka nifaly, tsy naharaka fa be dia be ny mpandeha. Nisy fotoana mivoaka ny hariva alina mandeha mitady moto, misy fotoana arirariran'ny mpanjifa @ fandoavam-bola, misy fotoana ni-frotte olona niampita tampoka, sns ... fa mijoro foana nefa ☺️☺️
🤍 Te hanararaotra hisaotra ireto mpandeha aminay hatramin'ny vao nanombohana izahay, ianareo ireny no nahatoky voalohany anay, tena mankasitraka 🙏🙏
🤍 Tena mankasitraka anareo 🙏🙏 mbola mandeha sy mahatoky ny ekipa hatramin'izao koa izahay.
🤍 Te hankasitraka manokana ireo orinasa vitsivitsy izay efa niara-niasa an-taonany taminay sy Mbola mahatoky anay foana, tena mankasitraka beeee tompoko 🙏🙏
👫🤱🧑🍼 Ankohonana maromaro no mivelona ato amin'ny Lomaï VIP, ka hoy izahay mianakavy Kely hoe tena mankasitraka indrindra tompoko.
💙 Mbola vonona ny ekipa hanohy ny asa sy hanome ny tsara indrindra foana.
🩵🤍🖤 Mbola matoky an'Andriamanitra sy ny fitantanaNy foana izahay Ary tena miankina tanteraka Aminy amin'ny tohin'ny asanay rehetra.
🎉Tahian'i Andriamanitra daholo tompoko.