13/07/2022
FIARABE MPITATITRA (CAMION): Hiakatra 50% ny saram-pitaterana rehetra manomboka rahampitso. Tapaka nandritra ny fivorian'ny fikambanan'ny mpitatitra "Camionneur" androany io. Fiakaran'ny vidin-tsolika no antony voalohany, eo ihany koa ny fahasimban'ny làlam-pirenena sy ny halafon'ny kojakojan'ny fiara. Izy ireo izay tsy isan'ny nantsoina tamin'ny fifampiresahana momba ny saran-dalana niarahana tamin'ny mpitatitra.