22/05/2026
👋Miarahaba atsika rehetra,
📍 Ny Alakamisy 21 Mey 2026, nanatanteraka fidinana ifotony teny Ivato ny Tale Jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), Andriamatoa RAKOTOARISOA Alban, niaraka tamin’ireo Tale eo anivon’ny ACM, ka nihaona tamin’ireo mpandraharaha sasantsasany eo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka.
🤝 Nandritra ny fihaonana dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fanarahana hentitra ny fenitra momba ny “sécurité”, ny “sûreté” , ary ny fanajàna ireo fepetra ara-dalàna mifehy ny asa rehetra eo amin’ny sehatry ny fiaramanidina .
✈️Nampatsiahivina manokana ny tokony hanatsaràna hatrany ny fanaraha-maso ny asa andavanandro, ny famantarana sy famahana haingana ireo olana ara-teknika na ara-logistika mety hiseho, ary koa ny fanajàna ny drafi-pivezivezen’ny sidina , ny fahazoan-dàlana ara-pitantanana , ary ireo fifanarahana iraisam-pirenena mifehy ny sidina takiana amin’ireo mpisehatra rehetra.
📢 Amin’ny alalan’ity fidinana ifotony ity dia manamafy hatrany ny fifandraisana mivantana amin’ireo mpandraharaha ny ACM , ho fanatsarana mitohy ny kalitaon’ny asa, ny fahombiazan’ny fandehanan’ny asa , ary ho fanajana tanteraka ny fenitra momba ny “sécurité” sy ny “sûreté” eo amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka malagasy.
👋Bonjour à toutes et à tous,
✈️ Le Directeur général de l’Aviation Civile de Madagascar (ACM), Monsieur RAKOTOARISOA Alban, accompagné des Directeurs, a effectué une descente sur site à Ivato le jeudi 21 mai 2026 auprès de quelques exploitants du secteur aérien.
✔Cette démarche a permis de rappeler l’importance du strict respect des normes de sécurité, de sûreté ainsi que de la conformité réglementaire dans l’ensemble des activités aéronautiques.
👉L'ACM veille particulièrement à ce que les opérations quotidiennes se déroulent dans des conditions optimales, avec une attention portée sur la détection et la résolution rapide des éventuels obstacles techniques ou logistiques.
📢 Les échanges ont également porté sur le respect des plans de vol, des autorisations administratives et des accords aériens internationaux exigés de l’ensemble des acteurs du secteur.
🤝 À travers cette descente, l’ACM renforce le dialogue direct avec les exploitants afin d’améliorer en permanence la qualité du travail, l’efficacité des opérations ainsi que le respect des exigences en matière de sécurité et de sûreté dans le secteur aérien malgache .
Voici les images marquant cette journée. 🙂
A bientôt!